Help
Change language Malagasy

Vaovao

2023
2.12.
Updated section Seeds from Import - Africa

New: Corylus jacquemontii Shop (India), Hazo maharitra (mihoatra ny 2 taona), Vodiny

Become a KPR member, and enjoy cheaper prices immediately. Register here.

Ny taona 2000 no tena niorina tamin’ny fomba ofisialy taty Slovakia, Eoropa ny KPR; saingy efa hatramin’ny taona 1998 no efa namatsy ambioka sy zavamaniry eran-tany izahay.

Ny tanjonay voalohany dia ny hampifandray ny mpikolokolo zaridaina maneran-tany, izay samy manana ny mahaliana azy mba hanambarana banky angona lehibe momba ny ambioka sy ny zavamaniry (Bankin’ambioka sy zavamanirin’ny KPR) eran-tany.

Amin’izao fotoana izao dia manana rantsana 6 lehibe izahay (Slovakia, Tseky, Aostralia, India, Thailandy, Afrika Atsimo ary Tanzania) ary mpiara-miasa sy mpanangona ambioka mihoatra ny 300 maneran-tany.

Afaka mamatsy karazan-javamaniry hambolena avy amin’ny faritra maro maneran-tany mihoatra ny 10 000 karazana izahay ankehitriny.

Na inona na inona ilainao dia eto no toerana azonao antoka hahitana izany! Na dia tsy mbola manana ny karazan-javamaniry rehetra rehetra aza izahay ankehitriny, dia mivoatra isan’andro ny lisitry ny karazany anananay, tsikelikely, isan’ambioka, isan-javamaniry. Inoanay sy antenainay fa tsy ho ela dia ho afaka mamatsy ny karazan-javamaniry (saika) izy rehetra izahay!

Mivarotra karazan’ambioka sy zavamaniry mihoatra ny 10 000 maneran-tany – palma, cycads, hazo maniry vahiny sy mahatanty fanala, zavamaniry mitahiry rano, zavamaniry mihinana biby, zavamaniry herin-taona na mihoatra, zavamaniry fandravahana, sns.


Tafiditra ao amin'ny lisitry nyhovidianao io singa io.