Become a KPR member, and enjoy cheaper prices immediately. Register here.
Ny fomba tsotra indrindra hanaovana kômandy dia amin’ny alàlan’ny fandefasana izany amin’ny e-shop (fividianana mampiasa internet).
Raha amin’ny alàlan’ny lelavola no handoavanao vola dia alefaso aty amin’ny adiresin’ny rantsan’ny KPR aty Tseky izany. Raha fampitam-bola amin’ny banky kosa dia any amin’ny iray amin’ireo kaontinay any Slovakia, Biolgaria, Kroasia, Tseky, Hongria, Montenegro, Polandy, Romania, Serbia
Maro ireo banky ao anatin’ny Firaisambe Eoropeanina no manao fampitam-bola amin’ny banky ato anatin’ny Firaisambe Eoropeanina (anisan’ny mpikambana feno ao amin’ny Firaisambe Eoropeanina i Slovakia) ary tsy mitaky sarany raha toa ka voarainy tsar any Code Swift sy ny Code IBAN. Amin’io tranga io dia tsy mitaky sarany ny bankinay.
Ny entana hafaranao dia miainga avy aty Tseky. Tombantombana ankapobeny ihany ity omenay anao ity. Rehefa voarainay ny kômandinao dia hampahafantarinay anao ny tena saran’ny fandefasana ny entana marina mankany amin’ny firenenao.
| Toerana andefasana entana | Saram-pandefasana ny entana | ||||
| latsaky ny 250 g | latsaky ny 500 g | latsaky ny 1 kg | latsaky ny 2 kg | mavesatra kokoa | |
| Eoropa - Lisitry ny firenena | 4 € | 6 € | 8 € | 12 € | hampahafantarinay anao |
| Eran-tany alefa sambo | 4 € | 6 € | 11 € | 14 € | hampahafantarinay anao |
| Eran-tany alefa fiaramanidina (maika kokoa) | 5 € | 6 € | 12 € | 16 € | hampahafantarinay anao |
| Toerana andefasana entana | Saram-pandefasana ny entana | ||||
| latsaky ny 250 g | latsaky ny 500 g | latsaky ny 1 kg | latsaky ny 2 kg | mavesatra kokoa | |
| Eoropa - Lisitry ny firenena | 5 € | 6 € | 10 € | 14 € | hampahafantarinay anao |
| Eran-tany alefa sambo | 5 € | 8 € | 12 € | 15 € | hampahafantarinay anao |
| Eran-tany alefa fiaramanidina (maika kokoa) | 7 € | 9 € | 14 € | 20 € | hampahafantarinay anao |
For some countries you can order Express Delivery service. Guaranteed delivery within 4 days after sending the order, online Track&Trace of the shipment, insurance included.
However, as for our experience with such services, this shiping method if often several times slower, that our standard shipping method (air mail letter or parcel). For example for Asian countries it sometimes took even 30 days to receive your order (although guaranted delivery is 4 days only!), while delivery time of the standard air mail letter / parcel to the same destination takes only 7 days. Therefore we do not recommend to use EMS services as it is much more expansive and unfortunately much more slower.
Isan’ny karazan-javamaniry natolotray ny 1998 hatramin’ny 2008

Ny voambolana hoe ambioka na entana ampiasaina manomboka eto, dia tsy ny ambioka ihany no tondroiny, fa anisan’izany koa ny zavamaniry, ampahana zavamaniry ary koa zavatra hafa izay mahakasika ny fambolena zavamaniry (voan-javamaniry ambioka, fototra zavamaniry, taho, botiora, hodin-javamaniry, pollen, sns.)
Ny vidin’entana rehetra dia amin’ny Eoro. Raisinay ihany koa ny fandoavam-bola amin’ny koraonina Tseky na ny Dôlara amerikanina (USD). Ny fanakalozam-bola amin’ny iray amin’ireo mari-bola hafa raisinay dia atao amin’ny taham-panakalozana anananay. Ny saram-pandefasana ny entana dia tsy tafiditra ao anatin’ireo vidiny ireo. Ny vidin’entana dia mety hiova arakaraky ny vanim-potoana ao anatin’ny taona, ny fahasarotan’ny fanangonana, ny fikirakirana ary ny fitahirizana ny ambioka. Izany hoe ireo vidin’entana ireo dia mety hisy fiovàna tsy misy fampilazàna mialoha. Ity lisitra vidin’entana (hita ao amin’ny sehatra www.kpr.sk) ity dia manan-kery noho izay lisitra hafa mety ho nivoaka taloha, raha misy tsy fitoviana. Tsy afaka mivarotra izahay raha sanatria tsy manana ny entana eny amin’ireo sompitra fitahirizana. Iangaviana ianao hamotopototra aty aminay ny fisian’ny entana eny amin’ireo sompitra fitahirizana izay vao hiroso amin’ny fandoavam-bola.
Voaray ny fandoavanao vola izay vao miroso amin’ny fandefasana ny entana izahay. Ny vidin’entana aloanao dia tokony ho voarain’ny KPR ao anatin’ny 15 andro fara-fahatarany aorian’ny namalianay fa voaray ny kômandinao.
Amin’ny ankapobeny dia alefanay ny entana vantany vao voaray ny vola aloanao. Tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho fahaverezan’ny entana mandritra ny fitaterana izahay raha tsy hoe angaha misy fifanarahana fiantohana ny amin’izany ifanaovantsika mialohan’ny fandefasan’entana (izany koa anefa dia midika sarany lafolafo kokoa).
Ny kômandy efa raikitra sy voaloa vola dia tsy azo ajanona indray raha tsy mahazo ny faneken’ny KPR.
Ny antoka omen’ny KPR dia maharitra 2 taona amin’ny ankapobeny, ary ireto no votoatiny:
- ny ambioka dia vaovao, azo velomina sy ampaniriana tsara
- ny ambioka na zavamaniry dia mifanaraka tanteraka amin’ny famaritana azy, ary tsy misy bibikely na poizim-biby
Io fiantohana 2 taona io dia manomboka amin’ny daty andefasanay ny entana.
Ny entana voarainao dia tokony hohamarininao avy hatrany vantany vao voarainao, ary raha misy fitarainana hataonao dia tsy maintsy hataonao an-tsoratra ary vorain’ny KPR ao anatin’ny 15 andro fiasana aorian’ny naharaisanao azy izany fara-fahatarany.
Tsy azon’ny KPR horaisina ny fitarainana raha efa simba ny entana, na efa nambolena, na ratsy ny fomba nitaterana na nikirakirana azy. Iangaviana ianao tsy hamerina ny entana raha tsy nahazo alàlana mialoha avy aty aminay.
Ny fanaovanao kômandy aty aminay dia midika ho fanekenao manontolo ireto fepetra sy fitsipika eto ambony ireto.
ATTENTION! Before placing an order find out about the plant import and phytosanitary regulations for your country. Do not import species forbidden by laws to your area. Many plants have become invasive weeds in far flung areas of the world, and while we cannot necessarily predict which plants will become invasive in which regions, most countries have lists of declared invasive weeds which people are requested not to grow, or can be prosecuted if they do grow them. Please consult your conservation authority, find out which plants you should not import and grow and take care that you do not unwittingly import any known or potential invasive aliens into your area.
When you place an order, you automatically herewith agree with the terms and conditions of the transportation company. Customers outside of the European Union: Please note that we cannot take any responsibility if your shipment is confiscated by you country due to your country's import laws, import permits or custom rules.